<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tsaroako dia tsaroako FFPM424</title>
<lyrics>[V1]
 Tsaroako dia tsaroako
 Raiko ô, Raiko be fitia !
 Fa ny fahadisoako
 Nodiovinao satria
 Noho Jeso Mpamonjy soa,
 Inty izaho fa afaka,
 He ! azoko tokoa tokoa
 Ny famelana heloka.

[V2]
 Ny aizim-pahotàna
 Raiko ô, Raiko be fitia !
 Misolo hazavàna
 Mamiratra erý.
 Ny lalako mahitsy izao
 Mitory olona afaka
 Noho ny hery vaovao
 Ny famelanao heloka.

[V3]
 Endre, ny hafaliako
 Raiko ô, Raiko be fitia !
 Fa maivana ny diako
 Avy any Kalvary.
 Ny tahotaho-poko tao
 Tsy reko intsony, afaka ;
 An-tanako tokoa izao
 Ny famelana heloka.

[V4]
 Deraiko lalandava
 Raiko ô, Raiko be fitia !
 Ny vavako hilaza
 Ny vitanao tetý.
 Fa mbola misy marobe
 Maniry te-ho afaka,
 Ho azy ireny koa anie
 Ny famelana heloka.</lyrics>
<hymn_number>424</hymn_number>
<author>J. Andriamasinoro</author>
</song>